anjara biriky
- a s s o c i a t i o n -
En raison de la crise sanitaire (Covid-19), les projets 2020-21 et 2021-22 ont été annulés à l'exception de la distribution des bourses
Due to the Covid-19, 2020-21 & 2021-22 projects have been cancelled except for the scolarship program
Natsahatra daholo ny asa rehetra nandritra ny taom-pianarana 2020-21 sy 2021-22 ity no ho ny Covid-19. Vita soa aman-tsara anefa ny fizarana fitaovam-pianarana an'ireo mpianatra mendrika.


IZA MOA ANJARA BIRIKY ?
- fikambanana nitsangana tamin’ny 31 Aogositra 2013
- manampy ireo ankizy Malagasy mipetraka any ambanivohitra eo amin'ny lafin'ny fianarana
- manome tànana ireo sekoly any ambanivohitra amin'ny lafiny fitaovana rehetra hilaina hanabeazana
INONA NO TANJONA ?
- Manampy ireo fianakaviana sahirana amin'ny fandefasana ny ankizy mianatra
- Mampirisika ny ankizy handeha hianatra
- Manome fanampiana mivantana ny sekoly
- Anjara Biriky dia tsy mandika ny anjara adidin'ny fanjakana sy ny Ray aman-dReny ka tsy mandoha ny sandam-pianarana na miantoka fiofanana an'ireo mpampianatra.
- Ireto voatanisa ireto ambany ireto kosa ny zavatra mivaingana hataon'ny fikambanana :




IZA NO MAHAZO FANAMPIANA ?
- CISCO (Circonscription scolaire) d'Antananarivo Atsimondrano
- EPP 8 : Ambohidrapeto, Antsahamasina, Antanetibe, Ankadimanga, Merimandroso, Marobiby, Andohalafy, Anosivita Boina izay any amin'ny kaominina Ambohidrapeto, Fihombonana ary Ankadimanga.

ANJARA BIRIKY ASSOCIATION (c)
IZA AVY IREO MPIKAMBANA ?
Filoha : RALAMBOZAFY RANAIVO Tahina
- Mpitam-bola : Julien BERNADA
- Sekretera : RALAMBOZAFY RANAIVO Zoliniaina
- Mpikambana mavitrika eto Frantsa : Hélène GRONNIER, Chloé STEWART, Florent COTE, Madeleine VENANT, Frédéric AUTRET, Emmanuelle DAVID.
- Ny mpikambana mavitrika any Madagasikara : RALAMBOZAFY RANAIVO Barthélémy (Mpitam-bola lefitra), RALAMBOZAFY RANAIVO Sahondra (sekretera lefitra), RAKOTOARISOA Hasina
- Tsy latsaky ny 100 ny olona efa nanome fanampiana
- 8 ny orinasa efa nanome tànana